FIMFAV

FIKAMBANAN’NY MPIARA-MIASA ETO AMIN’NY FANARAHA-MASO NY VOLAM-PANJAKANA (FIMFAV)

FAMPIDIRANA

Niverina nitsangana tamin’ny 28 jona 2016, tao amin’ny biraon’ ny sampan-draharaha mpanara-maso ny volam-panjakana,
« immeuble Loharanontsoa II» Faravohitra, ny FIkambanan’ny Mpiara-miasa eto amin’ny FAnaraha-maso ny Volam-panjakana na antsoina hoe : FIMFAV. Izany dia noho ny tolo-kevitra nomen’ny tale Jeneraly vaovao sy ny hetahetan’ny mpiara-miasa hamerina indray ny laza tsara nananan’izany fikambanana izany.
Natao ny fifidianana ny birao hitondra ny fikambanana ary nandray ny asany avy hatrany ireo voafidy. Ny fidirana ho mpikambana dia an-tsitrapo tanteraka. Ny birao dia natao hanatanteraka ny hetahetan’ny mpiasa izay nampitaina tamin’ireo
« Antennes », solon-tena isaky ny « Délégation » na « Service » misy eto amin’ny Sampandraharaha mpanaramaso ny volam- panjakana nefa tsy mivaona amin’ny Sata mifehy sy ny fitsipika anatin’ny fikambanana. Mirary fiaraha-miasa amintsika rehetra ny birao mba ahafahany mampiroborobo ity fikambanantsika ity.

IREO MPIKAMBANA AO AMIN’NY BIRAO

Filoha : RAMANGASON Iharantsoa Zoela
Filoha lefitra : TSARAFARA Christian Yvon
Mpitam-bola :RABESIHANAKA Mireille
Mpitan-tsoratra ara-bola : RAVIVATIANA Leticia Maryse
Mpitan-tsoratra : RABEARISON Brigite / RATSIMBAZAFY Tiana Josée
Mpanolo-tsaina :RAFANOMEZANA Naomy / RASOLOFONARIVO Tsilavina
Mpanamarim-bola : : MAMINJOARY Mirindra / HERY TIANARIVOATRA Rabary
Serasera :RANDRIARISOA Mamitiana


           
Pause Play