Ny DGCF dia manamafy hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny sampan-draharaham- panjakana mba ahafahana manampy sy mamaha ny olana eo amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana



Nandray anjara tamin’ny #guichet_unique na birao iombonana teo anivon'ny DREN Vakinankaratra ny avy ao amin'ny Delegasionim-paritra Contrôle Financier Vakinankaratra, teo ambany fitarihan'Andriamatoa RASOAMANANJATO Jean de Dieu, mba hanafainganana ny fikirakirana ireo antontan-taratasy 560 isa toy ny «Avancement d’échelon et de classe» sy ny «Bonification d’ancienneté».
Natomboka ny 20 martsa lasa teo ary naharitra 4 andro ny fanantanterahana io asa io.