NISITRAKA FIOFANANA MIKASIKA NY CEB 2023 IREO DELEGEM-PARITRA ETO AMIN'NY DGCF



Nandritra ny fihaonan'izy ireo tamin'ny Tale Jeneralin'ny Contrôle Financier, IGE RASAHAVELO, ny alarobia 1 febroary 2023 dia nisitraka fiofanana manokana mikasika ny CEB 2023 ireo Delegem-paritra eto amin'ny DGCF.

Izany moa dia mba ahafahan'izy ireo indrindra mahafantatra ireo toromarika vaovao voarakitra ao anatin'ny CEB 2023 sy ho fanamafisana ireo toromarika mbola manan-kery mahakasika ny fanaraha-maso ny fandaniambolam-panjakana.