DRCF MELAKY - FITSIDIHAN'NY TALEN'NY KABINETRAN’NY MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA.


Nandritra ny atrik'asa fanarenana ny ‘Dinan'ny Melaky tsy mipoly’ ny alakamisy 21 jolay 2022 lasa teo dia nitsidika ny biraon'ny Delegasionim-paritra ‘Contrôle Financier’ Melaky Ramatoa ANDRIANAIVOHERY Florence, talen'ny kabinetran'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
Nisy ny dinidinika nataony niaraka tamin'ireo mpiara-miasa eny an-toerana izay notarihin' ny delegem-paritra, Andriamatoa RAMANANJARA Ndriatsarafara, mikasika indrindra ny zava-misy amin’ny fanatontosana ny asan’izy ireo andavan’andro.