[𝐅𝐈𝐓𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐍𝐉𝐀𝐊𝐀𝐍𝐀] 𝐃𝐆𝐂𝐅 - 𝐅𝐀𝐍𝐎𝐌𝐄𝐙𝐀𝐍𝐀 ‘𝐕𝐈𝐒𝐀 𝐅𝐈𝐍𝐀𝐍𝐂𝐈𝐄𝐑’ 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐑𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐈𝐊𝐎 𝐀𝐔𝐆𝐔𝐑𝐄



✅ Mba hiantohana hatrany ny fahatomombanan’ny fandaniam-bolam-panjakana ✅ ary tafiditra indrindra ao anatin’ny fanaraha-maso mialoha na ‘contrôle a priori’ eo amin’ny lafin'ny fitantanana ny fivoarana sy ny isan’ny mpiasam-panjakana ‘Gestion des carrières et des effectifs des agents de l’Etat‘ ✅ sy ny fanomezana ny "VISA FINANCIER" mifanaraka amin'izany ao amin’ny rindram-baiko na logiciel AUGURE ‘Application Unique de Gestion Uniforme des Ressources humaines de l’Etat’,
➡️ ny avy eto amin’ny Direction Générale du Contrôle Financier Madagascar dia mandray anjara feno amin’ireo sehatra mahakasika ny fitantanana ny mpiasam-panjakana.


Anisan’izany ny fanatrehana ireo fihaonana handraisana fanapahan-kevitra mikasika ny mpiasam-panjakana, ny fanamarinana tsy tapaka ny antontan-taratasin’ireo mpiasam-panjakana mila raharaha araka ny lalàna manan-kery, ny fandraisana anjara amin’ny birao tokam-pandraharahana na ‘guichet unique’, ary singanina manokana ny fandraisana anjara amin’ny hetsika sy ny fiofanana mifandraika amin’ny fikirakirana sy ny fifehezana ny rindram-baiko na ny 'logiciel' AUGURE izay manamarika ny fialana amin’ny fampiasana antontan-taratasy maro eo amin’ny lafin'ny fitantanana ny mpiasam-panjakana.


Ny avy ao amin’ny Délégation Régionale du Contrôle Financier 𝐃𝐑𝐂𝐅 𝐀𝐦𝐨𝐫𝐨𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐧𝐢𝐚, izay tarihan’ny delegem-paritra, Ramatoa Vololona Oliva RAHETLAH, nandritra ny fihaonan’ny ‘Cellule Régionale AUGURE’ tao amin’ny biraon’ny DRCF Amoron’i Mania