BIANCO - MEF/DGCF FANAOVAN-TSONIA NY PAIK'ADY ANATINY ENTINA MIADY AMIN'NY KOLIKOLY



Ny avy eto amin'ny Direction Générale du Contrôle Financier Madagascar izay notarihan'ny Tale Jeneraliny, Inspecteur Général d'Etat RASAHAVELO, dia anisan'ireo rantsamangaikan'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola niroso tamin'ny fanaovana sonia ny paik'ady anatiny entina miady amin'ny kolikoly, izay notontosaina omaly alatsinainy 02 oktobra 2023 teny amin'ny biraon'ny BIANCO Ambohibao.



Nisy ihany koa ny fametrahana ny antontan-taratasy fanambaram- pananana faobe nataon'ireo Inspecteur d'Etat misahana andraikitra eto amin' ny DGCF nandritra io fotoana io. Izany moa dia araka ny voatondro ao amin'ny lalàna mba ho fitandroana ny asam-panjakana, hiadiana amin'ny kolikoly ary hampangaraharana ny ambaindain'ny fananan'ny tsirairay avy.