๐ƒ๐‘๐‚๐… ๐ˆ๐“๐€๐’๐˜ - ๐‚๐ฅ๐ฎ๐› Rรฉ๐ ๐ข๐จ๐ง๐š๐ฅ ๐๐ž ๐ฅ๐š ๐†๐ž๐ฌ๐ญ๐ข๐จ๐ง ๐๐ฎ๐›๐ฅ๐ข๐ช๐ฎ๐ž (๐‚๐‘๐†๐) - ๐…๐ˆ๐‡๐€๐Ž๐๐€๐๐€ ๐“๐€๐Œ๐ˆ๐'๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐Œ๐๐ˆ๐’๐„๐‡๐€๐“๐‘๐€ ๐„๐Ž ๐€๐Œ๐ˆ๐'๐๐˜ ๐…๐ˆ๐“๐€๐๐“๐€๐๐€๐Œ-๐๐Ž๐‹๐€๐Œ-๐๐€๐๐‰๐€๐Š๐€๐๐€



Toy ny mahazatra dia nandray anjara tamin'ny fihaonana fanao isan-telovolana miaraka aminโ€™ireo mpisehatra eo amin'ny fitantanam-bolam-panjakana any aminโ€™ny Faritra ny avy ao aminโ€™ny Dรฉlรฉgation Rรฉgionale du Contrรดle Financier #DRCF_ITASY, izay tarihin'ny delegem-paritra Ramatoa RASOAMANANJARA Zoely Harilala. Ny alakamisy 14 septambra 2023 teo moa no nanatanterahana izany tao amin'ny Tranompokonolona Miarinarivo


Mba tsy hisian'ny fandavana ireo taratasy filana raharaha tonga eny anivon'ny DRCF izay tantanany dia anisan'ny navoitran'i Ramatoa delegem-paritry ny 'Contrรดle Financier' nandritra io fotoana io ny fanentanana ireo mpisehatra ny mba hanajana ireo toromarika samihafa mahakasika ny fitantanana ny volam-panjakana. Nasongadiny manokana ny mahakasika ny fifanaraham-barotram-panjakana


Marihina fa ny volana jolay 2023 teo no voatendry hitantana ny DRCF Itasy Ramatoa RASOAMANANJARA Zoely Harilala. Amin'ny maha delegem-paritra vaovao azy dia nizara tamin'ireo mpandray anjara ny fomba fiasa vaovao eo anivon'ny DRCF Itasy izy mba hanafainganana hatrany ny fanomezana fankatoavana ireo antotan-taratasy fangatahana tonga eny anivon'izy ireo.


Nanantitra hatrany moa izy ny fisokafan'ny fiaraha-miasa feno miaraka amin'ireo 'mpisehatra mikasika ny fitantanam-bolam-panjakanaโ€˜ rehetra any amin'ny faritra, satria ny DGCF dia mpanara-maso ary indrindra ihany koa mpanolotsaina aminโ€™ny lafin'ny famoahana sy fitantanana ny volam-panjakana.