POSTE DE CONTROLE FINANCIER NOSY BE – FIHAONANA TAMIN’IREO ‘ACTEURS BUDGETAIRES’ ANY AMIN’NY FARITRA



Nisy ny fihaonana tamin’ireo ‘Acteurs budgétaires’ misahana ny fitantanambolam-panjakana any amin’ny Faritra Nosy be sy Ambanja ny alarobia 5 jolay teo tao amin’ny Commune Urbaine Nosy be, ka anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny avy ao amin’ny Poste de Contrôle Financier #PCF_NosyBe, tamin’ny alalan’ny Chef de Poste du Contrôle Financier, Ramatoa Nathalie RAHARIMANANA, sy ireo mpiara-miasa aminy.


Nohon’ny fahatsapana nandritra ny fanaraha-maso ‘Contrôle a Posteriori’ notanterahin’ny avy ao amin’ny #PCF_NosyBe fa mbola misy ny fanatsarana tokony apetraka eo amin’ny lafin’ny fahaiza-manaon’ ireo ‘Acteurs budgétaires’ sy eo amin’ny fifehezana ny fampiharana ireo didy aman-dalàna mahakasika ny fandaniambolam-panjakana dia niezaka nanangona ny hetahetan’ izy ireo mahakasika indrindra ny fanamafisana traikefa na fanampiana ara-toromarika ny avy ao amin’ny #PCF_NosyBe. Izany moa dia tafiditra indrindra amin’ny maha '𝐂𝐨𝐧𝐬𝐞𝐢𝐥𝐥𝐞𝐫 𝐅𝐢𝐧𝐚𝐧𝐜𝐢𝐞𝐫' ny Direction Générale du Contrôle Financier Madagascar