DRCF-BOENY π…π€ππ‰π€πŠπ€ππ€ πŒπ€ππ€πŠπ€πˆπŠπ˜ 𝐍𝐘 π•π€π‡πŽπ€πŠπ€



Ny DΓ©lΓ©gation RΓ©gionale du ContrΓ΄le Financier #DRCF_BOENY, izay notarihan' Andriamatoa RASOLO Bahia, dia nandray anjara tamin'ny varavarana misokatra #portes_ouvertes sy birao iombonana #guichet_unique izay notontosaina tao Marovoay ny alakamisy 1 jiona sy zoma 2 jiona 2023 lasa teo.


Izany dia mahakasika ny fanatsarana ny fitantanana ara-bolan'ny mpiasam-panjakana amin'ny alalan'ny fampiasana ny 'AUGURE' na Application Unique pour la Gestion des Ressources Humaines de l'Etat.


Ny fandraisana anjara amin'ny hetsika tahaka izao dia ahafahan'ny ContrΓ΄le Financier mampahafantatra ny asa sahaniny sy mitondra ihany koa ny anjara birikiny amin' ny fanaraha-maso ireo antontan-taratasim-panjakana samihafa mba ho fanafainganana ny fikarakarana ny fangatahan'ireo mpiasam-panjakana manan-draharaha tonga eny an-toerana.