LIENS UTILES





📢 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔-𝗠𝗔𝗦𝗢 𝗔𝗧𝗬 𝗔𝗢𝗥𝗜𝗔𝗡𝗔 (𝗖𝗢𝗡𝗧𝗥𝗢𝗟𝗘 𝗔 𝗣𝗢𝗦𝗧𝗘𝗥𝗜𝗢𝗥𝗜 - 𝗖𝗔𝗣)



Ny Foibem-pitondrana Ankapobe misahana ny Fanaraha-maso ny Fitantanam-bolam-panjakana (𝘋𝘪𝘳𝘦𝘤𝘵𝘪𝘰𝘯 𝘎é𝘯é𝘳𝘢𝘭𝘦 𝘥𝘶 𝘊𝘰𝘯𝘵𝘳ô𝘭𝘦 𝘍𝘪𝘯𝘢𝘯𝘤𝘪𝘦𝘳 - 𝘋𝘎𝘊𝘍) 🇲🇬 dia manatanteraka iraka 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮-𝗺𝗮𝘀𝗼 𝗮𝘁𝘆 𝗮𝗼𝗿𝗶𝗮𝗻𝗮 (𝗖𝗼𝗻𝘁𝗿ô𝗹𝗲 𝗮 𝗣𝗼𝘀𝘁𝗲𝗿𝗶𝗼𝗿𝗶 - 𝗖𝗔𝗣) miisa enina amby efapolo (46) manerana ny Nosy, ka efatra amby roapolo (24) no eo anivon’ny sampandraharaha foibe ho an’ny taom-piasana 2024 – 2025 ary roa amby roapolo (22) kosa no any amin’ny faritra izay mifantoka amin’ny taom-piasana 2022, 2023, 2024 ary 2025.

Nanomboka tamin’ity volana Jona ity izany ary haharitra hatramin’ny volana Aogositra 2026.

🏛️ Minisitera miisa 22, ny Antenimieran-doholona (Sénat), ary ny Vaomieram-pirenena Mahaleo tena misahana ny Fifidianana (CENI) no hanaovana ity asa fanaraha-maso ity ary tompon’andraikitra mpanara-maso miisa telo amby roapolo (23) sy mpanamarina miisa hatramin’ny zato (100 ) avy eto amin’ny DGCF no hanatanteraka izany ho an’ny eto amin’ny foibe.

🎯 Ny fanaraha-maso dia hifantoka indrindra amin’ireto lafiny manaraka ireto :

✔️ Fanamarinana ny tena fisian’ireo fandaniana natao ary ny fanarahan-dalàna amin’ny fanamarinana ny asa vita (𝗺𝗮𝘁é𝗿𝗶𝗮𝗹𝗶𝘁é 𝗱𝗲𝘀 𝗱é𝗽𝗲𝗻𝘀𝗲𝘀 𝗲𝘁 𝗹𝗮 𝗰𝗼𝗻𝗳𝗼𝗿𝗺𝗶𝘁é 𝗱𝗲 𝗹𝗮 𝗰𝗲𝗿𝘁𝗶𝗳𝗶𝗰𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗱𝘂 𝘀𝗲𝗿𝘃𝗶𝗰𝗲 𝗳𝗮𝗶𝘁) ;

✔️ Fahombiazan’ny fampiharana ny fepetra fanaraha-maso anatiny (𝗲𝘅𝗶𝘀𝘁𝗲𝗻𝗰𝗲 𝗲𝘁 𝗲𝗳𝗳𝗶𝗰𝗮𝗰𝗶𝘁é 𝗱𝗲𝘀 𝗱𝗶𝘀𝗽𝗼𝘀𝗶𝘁𝗶𝗳𝘀 𝗱𝗲 𝗰𝗼𝗻𝘁𝗿ô𝗹𝗲 𝗶𝗻𝘁𝗲𝗿𝗻𝗲) ;

✔️ Fanadihadiana ny fomba sy ny dingana narahina tamin’ny fanatanterahana ny fandaniana ny volam-panjakana (𝗽𝗿𝗼𝗰é𝗱𝘂𝗿𝗲𝘀 𝗱'𝗲𝘅é𝗰𝘂𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗱𝗲𝘀 𝗱é𝗽𝗲𝗻𝘀𝗲𝘀 𝗽𝘂𝗯𝗹𝗶𝗾𝘂𝗲𝘀) ;

✔️ Fanolorana soso-kevitra hanatsarana ny fanatanterahana ny tetibolam-panjakana (𝗿𝗲𝗰𝗼𝗺𝗺𝗮𝗻𝗱𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻𝘀 𝗽𝗼𝘂𝗿 𝗮𝗺é𝗹𝗶𝗼𝗿𝗲𝗿 𝗹'𝗲𝘅é𝗰𝘂𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗯𝘂𝗱𝗴é𝘁𝗮𝗶𝗿𝗲).

_______ Amin’ny alalan’ny Contrôle a Posteriori, ny DGCF dia manamafy hatrany ny anjara andraikiny amin’ny fanamafisana ny mangarahara, ny tamberin’andraikitra ary ny fiarovana ny volam-panjakana. Marihina fa nanomboka ny volana Janoary 2026 dia taratasy fangatahana fandraisana andraikitra (lettres de saisine) miisa roa ambin’ny folo (12) no efa nalefa, ka fito (07) tamin’izany no natolotra ny Conseil de Discipline Budgétaire et Financière (CDBF), efatra (04) tany amin’ny Pôle Anti-Corruption (PAC), ary iray (01) tany amin’ny BIANCO.

Ny valin’ny fanaraha-maso sy ny tolo-kevitra hivoaka avy amin’ny Contrôle a Posteriori moa dia entina hanamafisana hatrany ireo fepetra fanaraha-maso anatiny sy hanatsarana ny fitantanana mahomby sy hentitra kokoa ny volam-panjakana.