LIENS UTILES





𝗙𝗔𝗠𝗜𝗡𝗗𝗥𝗔𝗠-𝗣𝗜𝗧𝗔𝗡𝗧𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝘁𝗲𝘁𝗼 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻'𝗻𝘆 𝗙𝗼𝗶𝗯𝗲𝗺-𝗽𝗶𝘁𝗼𝗻𝗱𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻𝗸𝗮𝗽𝗼𝗯𝗲 𝗺𝗶𝘀𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮-𝗺𝗮𝘀𝗼 𝗻𝘆 𝗙𝗶𝘁𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗺-𝗯𝗼𝗹𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮 | 𝗗𝗶𝗿𝗲𝗰𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗚é𝗻é𝗿𝗮𝗹𝗲 𝗱𝘂 𝗖𝗼𝗻𝘁𝗿ô𝗹𝗲 𝗙𝗶𝗻𝗮𝗻𝗰𝗶𝗲𝗿 🇲🇬



🗓️ Taorian’ny nandraisana ny didim-panjakana izay nanendry an’𝗔𝗻𝗱𝗿𝗶𝗮𝗺𝗮𝘁𝗼𝗮 𝗥𝗔𝗞𝗢𝗧𝗢𝗔𝗥𝗜𝗦𝗢𝗡 𝗝𝗮𝗰𝗾𝘂𝗲𝘀 𝗥𝗼𝗹𝗮𝗻𝗱 ho 𝗧𝗮𝗹𝗲 𝗝𝗲𝗻𝗲𝗿𝗮𝗹𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗖𝗼𝗻𝘁𝗿ô𝗹𝗲 𝗙𝗶𝗻𝗮𝗻𝗰𝗶𝗲𝗿 𝘃𝗮𝗼𝘃𝗮𝗼 eo anivon'ny 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗲𝗸𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗶𝘁𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗺-𝗯𝗼𝗹𝗮 nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny 23 aprily 2026, ary araka ny sata mifehy ny fitohizan'ny asam-panjakana, dia notanterahina ny alatsinainy 27 aprily 2026 ny famindram-pitantanana ofisialy teo amin'ny Tale Jeneraly vaovao sy Andriamatoa RASAHAVELO, izay nisahana izany andraikitra izany teo aloha.

👉 Naneho fisaorana ny Tale Jeneraly teo aloha noho ireo asa vitany ny Tale Jeneraly vaovao, Andriamatoa RAKOTOARISON Jacques Roland. Nanamafy ihany koa izy ny fahavononany hanatanteraka am-pahombiazana ireo andraikitra lehibe nankinina aminy.

👥 Fanentanana ireo mpiara-miasa hiara-hisalahy, hampiseho firaisankina sy hifanohana amin’ny fanatanterahana ireo fanamby, mba hanandratana avo hatrany ny Contrôle Financier no namaranan'ny Tale Jeneraly vaovao ny lahateniny nandritra ny lanonana.


👉 Nankasitraka ireo mpiara-miasa kosa ny Tale Jeneraly teo aloha, ary nirary soa ny Tale Jeneraly vaovao manoloana ireo asa aman'andraikitra izay miandry azy.