Famelabelarana arahina fifanakalozan-kevitra #ConférenceDébat - hetsika fankalazana ny faha 65 taona nijoroan'ny Contrôle Financier



Notanterahina omaly talata 23 jolay 2024 ny famelabelarana arahina fifanakalozan-kevitra #ConférenceDébat izay nokarakarain'ny Contrôle Financier, teo ambany fitarihan'ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Andriamatoa RAMANAMPANOHARANA Andry.

Izany hetsika izany moa dia tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny faha 65 taona nijoroan'ny Contrôle Financier


Tratra ny fanamby napetraka dia ny hampahafantarana '𝐍𝐲 𝐂𝐨𝐧𝐭𝐫ô𝐥𝐞 𝐅𝐢𝐧𝐚𝐧𝐜𝐢𝐞𝐫 🇲🇬 𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐚𝐬𝐚 𝐬𝐚𝐡𝐚𝐧𝐢𝐧𝐲, 𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐟𝐢𝐚𝐬𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚 𝐛𝐢𝐫𝐢𝐤𝐲 𝐞𝐧𝐭𝐢𝐧𝐲 𝐡𝐨 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐬𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚' satria dia nihanoka tanteraka tao anatin'ny antsipirian'izany lohahevitra izany ny avy eto amin'ny Contrôle Financier sy ireo tonga nanatrika marobe izay nahitana tompon'andraikim-panjakana, mpisehatra eo amin'ny lafin'ny fitantanam-bolam-panjakana, mpandraharaha ara-toekarena, mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo ....


Ankoatr'ireo famelabelarana narahina fizarana traik'efa izay niompana amin'ny ankapobeny tamin'ny #ContrôleaPriori #ControleaPosteriori #RoledeConseil iandraiketan'ny Contrôle Financier, dia nanamarika ny fotoana ny famaliana ireo fanontaniana malalaka tsy nisy sivana avy amin'ireo tonga nanatrika.


Azo lazaina arak'izany fa dia 𝐟𝐚𝐡𝐨𝐦𝐛𝐢𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 ny hetsika ary araka ny nambaran'ny Tale Jeneralin'ny Contrôle Financier, Andriamatoa RASAHAVELO dia manandanja manokana ny hetsika tahaka izao satria nahafahana nampahafantatra amin'ny daholobe, indrindra amin'ireo mpisehatra eo amin’ny fitantanam-bolam-panjakana ny maha zavadehibe ny fisian’ny Contrôle Financier izay misahana ny fanarahamaso ny fandaniam-bolam-panjakana.