π…πšπ«π’π­π«πš MATSIATRA AMBONY ___ Famelabelarana arahina fifanakalozan-kevitra #ConfΓ©rence_DΓ©bat tafiditra ao anitn'ny hetsika '65 taona DGCF' ho fampahafantarana ny ContrΓ΄le Financier sy ny asa sahaniny. Izay nokarakarain'ny avy eo anivon'ny DΓ©lΓ©gation RΓ©gionale du ContrΓ΄le Financier #DRCF_MatsiatraAmbony tarihan'ny delegem-paritra Andriamatoa RAKOTOMALALA Miharisoa Lanto.



πŸ“ ___ π“π«πšπ§π¨ 𝐟𝐒𝐯𝐨𝐫𝐒𝐚𝐧'𝐧𝐲 'π‡Γ΄π­πžπ₯ 𝐝𝐞𝐬 π…π’π§πšπ§πœπžπ¬'


𝑻𝒂𝒍𝒂𝒕𝒂 πŸ— π’‹π’π’π’‚π’š πŸπŸŽπŸπŸ’, nanasana ireo mpiantsehatra eo amin'ny lafin'ny fitantanam-bolam-panjakana eny amin'ireo 'CollectivitΓ©s Territoriales DΓ©centralisΓ©es' (CTD), 'Services Techniques DΓ©centralisΓ©s' (STD) ary 'Etablissements Publics Nationaux' (EPN). Ny solontenan'Andriamatoa isany Gouverneur Matsiatra Ambony sy PrΓ©fet moa no nanokatra tamin'ny fomba ofisialy izany fotoana izany.


π‘¨π’π’‚π’“π’π’ƒπ’Šπ’‚ 𝟏𝟎 π’‹π’π’π’‚π’š πŸπŸŽπŸπŸ’, nitohy tamin'ny fihaonana niarahana tamin'ireo mpianatra eny amin'ny Anjerimanontolo Andrainjato (ambaratonga Master II, sampana Droit- Economie-Gestion) ny famelabelarana narahina adihevitra.


π‘¨π’π’‚π’Œπ’‚π’Žπ’Šπ’”π’š 𝟏𝟏 π’‹π’π’π’‚π’š πŸπŸŽπŸπŸ’, nofaranana tamin'ny fihaonana niarahana tamin'ireo sokajin'olona tsy ankanavaka, izay nahitana indrindra ireo mpandraharaha ara-toekarena ny hetsika.