𝐃𝐑𝐂𝐅_𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐀𝐕𝐀 ___ Fihaonana niaraka tamin’ireo mpiantsehatra eo amin'ny lafin'ny fitantanam-bolam-panjakana



👥𝐃𝐑𝐂𝐅_𝐁𝐎𝐍𝐆𝐎𝐋𝐀𝐕𝐀 ___ Nisy ny fihaonana izay nokarakarain’ny Délégation Régionale du Contrôle Financier #DRCF_BONGOLAVA niaraka tamin’ireo mpiantsehatra eo amin'ny lafin'ny fitantanam-bolam-panjakana na 'acteurs budgétaires' any amin'ny faritra, ary nanasana ny fandraisana anjaran' ireo sampan-draharaham-panjakana hafa eo anivon'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola 👉 Service Régional du Budget, Commission Régionale des Marchés, Trésorerie Générale Bongolava, Service Régional de la Solde et des Pensions 👈


Tanjona lehibe tamin’izany fihaonana izany ny 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒎𝒂𝒇𝒊𝒔𝒂𝒏𝒂 ny fahalalana sy ny fifehezanan'ny ‘acteurs budgétaires’ ireo sori-dalana tokony arahina ao anatin’ny fanatanterahana ny fandaniam-bolam-panjakana.

Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon' ny delegem-paritry ny Contrôle Financier, Andriamatoa RAKOTONIAINA Solofo Haja, no nampatsiahivany ireo asa sahanin’ny Contrôle Financier 🇲🇬 sy ireo fomba fiasa napetraka eo anivon'ny #DRCF_BONGOLAVA.


Nisy ihany koa ny fotoana manokana niompana tamin’ny fampahafantarana ny Toro-làlana momba ny Fanatanterahana ny Teti-bola' 𝟐𝟎𝟐𝟒 na ny 'Circulaire d'Exécution Budgétaire' 𝟐𝟎𝟐𝟒

Nasongadina nandritra io fotoana io ihany koa ireo olana matetika mitranga amin’ny fanatanterahana ny Teti-bola sy ny vahaolana iombonana noraisina manoloana izany.


Namaranana ny fihaonana ny famaliana ireo fanontaniana napetrak'ireo mpandray anjara tonga marobe.