DGCF eo anivon'ny Ministeran'ny Fitsarana 👥DRCF Melaky __ CEB 2024.



Mitohy ny fihaonan'ireo delegasionan'ny Contrôle Financier miaraka amin'ireo 'acteurs budgétaires' na mpiantsehatra eo amin'ny lafin'ny fitantanam-bolam-panjakana, ho fanamafisana sy fampahafantarana amin'izy ireo ny mahakasika ireo andinin-dalàna sy didy amam-pitsipika ary fepetra manan-kery na nasiam-panovana, izay mifandraika amin’ny asa fanaraha-maso ataon'ny Contrôle Financier🇲🇬 , ary voarakitra ao anatin'ny 'Toro-làlana momba ny Fanatanterahana ny Teti-bola' 𝟐𝟎𝟐𝟒 __ 'Circulaire d'Exécution Budgétaire' 𝟐𝟎𝟐𝟒


Araka izany, dia nisy ny famelabelarana sy ny fampahafantarana ny CEB 2024 nentin'ny :

👉 Délégation Centrale du Contrôle Financier #DCCF eo anivon'ny Minisiteran'ny Fitsarana ho an'ireo 'acteurs budgétaires' ao amin'ny Minisitera, tamin'ny alalan'ny Delegen'ny Contrôle Financier, IE RAMAHATRATRA Marinjara, sy ireo mpiara-miasa aminy.

👉 Délégation Régionale du Contrôle Financier #DRCF_MELAKY ho an'ireo 'acteurs budgétaires' any amin'ny faritra, tamin'ny alalan'ny Delegem-paritra, Andriamatoa RAMANANJARA Ndriatsarafara, sy ireo mpiara-miasa aminy.


Nisy hatrany ny famaliana ireo fanontaniana samihafa sy ny fifanakalozan-kevitra teo amin'ireo mpandray anjara.