DRCF ANALANJIROFO - Fampiofanana ireo mpiantsehatra amin'ny fitantanam-bolam-panajakana sy ireo Ben'ny Tanàna rehetra ao anatin'ny distrika Vavatenina.



👥 Ny Délégation Régionale du Contrôle Financier #DRCF_ANALANJIROFO, tamin'ny alalan'ny delegem-paritry ny Contrôle Financier Andriamatoa ANDRIANIRINA Patrice, dia anisan'ireo sampandraharaham-panjakana nandray anjara tamin'ny fampiofanana mahakasika ny fitantanana sy ny fampiasam-bolam-panjakana ary ny fitantanana ny Mpiasam-bahoaka, izay notanterahina ny alakamisy 21 martsa sy ny zoma 22 martsa 2024 teo, ary natrehan'ireo mpiantsehatra amin'izany sy ireo Ben'ny Tanàna rehetra ao anatin'ny distrika Vavatenina.


Marihina fa tafiditra ao anatin'ny famatsiambolan'ny Programa RINDRA miaraka amin'ny PNUD izany hetsika izany.


Ny Contrôle Financier 🇲🇬 dia manakaiky hatrany ireo tompon'andraikitra sy mpisehatra amin'ny fitantanana sy fampiasana ny volam-panjakana amin'ny alalan'ny famelabelarana ireo asa iandraiketany sy fampahafantarana ireo toromarika sy fepetra ary antontan-taratasy takiany mifandraika amin'ny fantanterahana izany.