FANDRAISAN’NY DELEGASIONAM-PARITRY NY CONTROLE FINANCIER ANJARA AMIN’NY DINIKA ENTINA HANATSARANA NY FANATANTERAHANA NY TETI-BOLA DREN ATSINANANA 2024



𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐓𝐒𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 __ 𝐅𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐃𝐞𝐥𝐞𝐠𝐚𝐬𝐢𝐨𝐧𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐂𝐨𝐧𝐭𝐫ô𝐥𝐞 𝐅𝐢𝐧𝐚𝐧𝐜𝐢𝐞𝐫 𝐚𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐝𝐢𝐧𝐢𝐤𝐚 𝐞𝐧𝐭𝐢𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐞𝐭𝐢-𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐃𝐑𝐄𝐍 𝐀𝐭𝐬𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟒, 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐧𝐢𝐬𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐩𝐨𝐥𝐢𝐭𝐢𝐤𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐛𝐞a𝐳𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚


𝑨𝒍𝒂𝒌𝒂𝒎𝒊𝒔𝒚 𝟐𝟐 𝒇𝒆𝒃𝒓𝒐𝒂𝒓𝒚 𝟐𝟎𝟐𝟒 - Nisy ny fihaonan’ireo sampandraharaham-panjakana misahana ny fitantanam-bolam-panjakana tamin’ireo mpitantan-draharaha ara-bola eo anivon’ny Foibem-paritry ny Fanabeazam-pirenena na ny Direction Régionale de l'Education Nationale (DREN) Atsinanana.


Ny delegem-paritry ny Contrôle Financier faritra Atsinanana, Inspecteur d’Etat RALAIMIDONA Rijanirina Herman, no nisolo tena ny Contrôle Financier tamin’io fihaonana io, izay niompana tamin’ny fanatsarana ny fanatanterahana ny teti-bolan’ny DREN Atsinanana - exécution budgétaire - ary nandinihana ireo vahaolana hoentina hanarenana izay mety ho lesoka ara-teknika nosedraina tamin’ny taona 2023.

Marihina moa fa ny 70% ny taratasim-panjakana kirakirain’ny ao amin’ny Delegasionam-paritry ny Contrôle Financier Atsinanana #DRCF_Atsinanana dia mahakasika ny fanabeazam-pirenena.