DELEGASIONAM-PARITRY NY CONTROLE FINANCIER AMORON'I MANIA - 'GROUPE TECHNIQUE ELARGI DES FINANCES PUBLIQUES' (GTEFP) AMORON'I MANIA



π…π€π‘πˆπ“π‘π€ π€πŒπŽπ‘πŽπ'𝐈 πŒπ€ππˆπ€ __ Ny Delegasionam-paritry ny ContrΓ΄le Financier Amoron'i Mania #DRCF_AMM izay tarihan'i Ramatoa RAHETLAH Vololona Oliva dia π¦π©π’π€πšπ¦π›πšπ§πš 𝐬𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲 𝐚𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚 𝐟𝐞𝐧𝐨 amin'ireo asa sahanin'ny 'Groupe Technique Elargi des Finances Publiques' (GTEFP) Amoron'i Mania.


Anisan'ny dingana nirosoan'izy ireo ny fananganana ny Β« Groupe de Travail RΓ©gional d’Amoron’i Mania – GTR-AMM Β» nandritra ny fihaonana izay natao ny alarobia 14 febroary 2024 tao amin’ny biraon’ny Delegasionam-paritry ny ContrΓ΄le Financier.

Ny GTR - AMM moa no hisahana manomboka izao ny fandrindrana sy ny fanaraha-maso ny asa rehetra ao anatin'ny sehatry ny 'Fonds Commun de l'Education' (FCE) eny anivon'ny faritra Amoron'i Mania, ho fanatsarana ny rafi-panabeazana sy ny rafi-pampianarana ara-teknika ary arak'asa any amin'iny faritra iny.