Guides Pratiques aux usagers
- Décret n°2026-1256 Modifiant et complétant certaines dispositions du Décret 2008-668 portant régime de déplacement
- Circulaire n°02/2026-MEF/SG/DGBF/DPE
- Arrêté n°24235/2026 Fixant le taux des indemnités de déplacement temporaire auprès des villes en pôle de croissance
- Circulaire n°055 MEF portant préparation CDMT 2024-2026, décret n°2023-255 du 15 mars 2023 portant GIP, Manuel GIP du 31 mars 2023
Réformes
Nouveau
Liens utiles
Liens internes
Projet ARCEB
Statistique visiteurs
| Nb Visiteurs | |
|---|---|
| Total | 396249 |
Date de mise en ligne 20 Fev. 2019
.png)
|
Fampitam-baovao mahakasika ny Filankevitry ny Minisitra ny Alarobia faha-30 jona 2021. Hisy ny fandraisana didim-panjakana mikasika ny fivoahan’ny vola vahiny (devises) sy ireo fepetra manokana momba ny famerenana eto Madagasikara ireo vola vahiny (rapatriement de devises). Ny lalàna manan-kery ankehitriny dia tsy namaritra ny fetra farany ambony ny vola afaka entin’ireo izay mivoaka any ivelan’i Madagasikara. Izany dia nahatonga fanararaotana, fanondranam-bola an-tsokosoko (fuite de capitaux), ary nampiroborobo ny famotsiam-bola. Hamahana izany olana izany sy hanatsarana ny fiarovana amin’ny fanondranam-bola, ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-boka dia nasaina hamolavola didy aman-dalàna ahafahana mifehy ny fivoahanan’ny vola vahiny sy ahafahana miady amin’ny « fuites de capitaux ». Izany indrindra no antony nisian’ny vinavina hanaovana ny « Circulaire relative aux allocations de devises n°0755/2018-MFB/SG/DGT/DOF/SFE du 30 août 2018 » izay havadika ho didim-panjakana. Nasaina ihany koa ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola mba hametraka haingana volavolan-kevitra andraisana didy aman-dalàna iray hafa mikasika ny fampodiana ny vola vahiny. Ny tanjona dia ahafahana manatsara izany fampodiana vola vahiny izany sy haha-mari-pototra ny vola Malagasy na ny Ariary.
|













