Guides Pratiques aux usagers
- Décret n°2026-1256 Modifiant et complétant certaines dispositions du Décret 2008-668 portant régime de déplacement
- Circulaire n°02/2026-MEF/SG/DGBF/DPE
- Arrêté n°24235/2026 Fixant le taux des indemnités de déplacement temporaire auprès des villes en pôle de croissance
- Circulaire n°055 MEF portant préparation CDMT 2024-2026, décret n°2023-255 du 15 mars 2023 portant GIP, Manuel GIP du 31 mars 2023
Réformes
Nouveau
Liens utiles
Liens internes
Projet ARCEB
Statistique visiteurs
| Nb Visiteurs | |
|---|---|
| Total | 396243 |
Date de mise en ligne 20 Fev. 2019
.png)
|
Varavarana misokatra notontosaina teto amin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Antananarivo, faha-24 jona 2021. Nisokatra ho an’ny daholobe ny Tranon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF) eo Ambatonakanga. Tontosa ny varavarana misokatra nokarakaraina ho an’ny daholobe ka namoriana ireo departemanta isan-tsokajiny eo anivon’ny Minisitera. Izany fihaonana izany dia nentina nifampizarana sy nampirantiana ireo asa maro tanterihana sy ireo fanavaozana eto amin’ny MEF. Tafavory anaty sehatra iray ireo foibem-pitondrana Ankapobe miisa folo eto amin’ny Minisitera dia ny :
Tonga nanatrika ny fanokafana io varavarana misokatra io ireo tomponandraikitra voalohany amin’ireo departemanta ireo ary nitondra fanazavana mahakasika ireo asa fanavaozana sy ireo zava-bita amin’ny foibem-pitondrany tsirairay avy. Ny varavarana misokatra, moa dia nahafahan’ny Minisitera nifampizara amin’ny vahoaka amin’ny ankapobeny ireo asa fampandrosoana eto anivon’ny Minisitera. Nampahafantarina tao ihany koa ireo asa fanavaozana mifanandrify amin’izany. Tafiditra ao anatin’izany ny fikirakirana amin’ny solosaina ireo tolotra ho an’ny mpisitraka ny asam-panjakana (digitalisation) sy ny fanamaivana ny fomba arahina (procédures) izay heverina fa mahatsaratsara kokoa ny tolotra ho azy ireo eto anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
|












