newsletter
Voir toutes
gifp
dcsr
Projet ARCEB
Statistique visiteurs
Nb Visiteurs
Total 396242

Date de mise en ligne 20 Fev. 2019

Tatitry ny Filankevitry ny Minisitra natao ny alarobia 09 Jona 2021

Fampitam-baovao mikasika ny fanomanana sy ny fandrafetana ny tetibolam-panjakana asiam-panitsiana 2021

Ireo asa vita hatreto ao anatin’ny fanomanana ny fandrafetana ny tetibolam-panjakana asiam-panistiana 2021 dia nahafahana namaritra ireto zavatra manaraka ireto :

  • Fanitsiana mikasika ny vinavina mahakasika ny mety ho fidiram-bola noho ny zava-mitranga ankehitriny
  • Fanitsiana mahakasika ire « dépenses transversales », ireo tetikasam-pampandrosoana ary ireo fandaniana mikasika ny fampiodinan-draharaha eo anivon’ireo minisitera sy ireo andrimpanjakana.

Na izany aza anefa, mba tsy hahatara ny fankatoavana ny tetilolam-panjakana asiam-panitsiana 2021, dia azo eritreretina ny fanoratana ho ao anatin’ny « dépenses transversales » eo amin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ireo tetibola natokana ho an’ny tetikasam-pampandrosona sy ireo tetibola fanampiny ho fampiodinana ireo minisitera.

Nankatoavina araka izany ny volavolan-dalàna manitsy ny tetibolam-panjakana 2021. Mbola hisy kosa anefa fanistiana ara-teknika ho fanarahana ireo toromarika notapahana tamin’ny Filankevitry ny Minisitra mialohan’ny andefasana izany any amin’ireo Antenimiera roa tonta.