Guides Pratiques aux usagers
Réformes
Nouveau
Liens utiles
Liens internes
Projet ARCEB
Statistique visiteurs
Nb Visiteurs | |
---|---|
Total | 519144 |
Date de mise en ligne 20 Fev. 2019
Réformes des finances publiques : un nouveau souffle pour 2021 Le Gouvernement malagasy a adopté en décembre 2020 la réorganisation du comité interministériel de pilotage des réformes des finances publiques ou COPIL. Ce comité regroupe les parties prenantes dans la mise en œuvre des réformes des finances publiques. Il a pour charge le pilotage stratégique des réformes des finances publiques. Ainsi est-il prévu une mise à jour du Plan Stratégique de Modernisation de la Gestion des Finances Publiques, en traçant les contours pour les prochaines années et en tenant compte des objectifs du Plan Emergence Madagascar. D’autre part il doit assumer le pilotage de l’autoévaluation de la performance de la gestion des Finances Publiques selon la méthodologie PEFA ou Public Expenditure and Financial Accountability. La tenue d’un exercice d’autoévaluation PEFA a été décidée concomitamment à la réorganisation du COPIL. La méthodologie PEFA sert de cadre standardisé d’évaluation de la performance de la gestion des finances publiques. Développé depuis plus de 15 ans, il est le fruit d’une coopération entre plusieurs institutions d’appui au développement. Il permet la comparaison entre les pratiques nationales et les normes internationalement reconnues, ainsi que son évolution dans le temps. A travers des indicateurs quantitatifs de mesure de la performance, le relevé des forces et faiblesses du système articulé autour du cycle de gestion des finances publiques est établi. Les résultats permettront d’aboutir à un panorama de la situation du système de gestion des finances publiques malagasy. Le processus demeure inclusif, étant donné que les entités concernées par les finances publiques participent à la conduite de l’évaluation, y compris la société civile et les partenaires techniques et financier. Ce procédé garantira un constat partagé de la situation afin d’aboutir à une mise à jour du Plan Stratégique de Modernisation de la gestion des Finances Publiques et en renforcera l’appropriation par toutes les parties. Ce plan ayant pour but d’optimiser l’allocation et l’utilisation des deniers publics aux fins de prestations de services efficaces, tout en respectant les principes et textes en vigueur. L’évaluation sera conduite par le Ministère de l’Economie et des Finances, à travers son Secrétariat Général. Elle sera supervisée par un Comité interministériel de Pilotage des réformes des Finances Publiques dont une réorganisation a été décidée lors du Conseil du Gouvernement qui s’est tenu le 23 décembre 2020.
Fanavaozana ny fitantanambolam-panjakana : aina vaovao ho an’ny taona 2021 Ny Governemanta Malagasy tamin’ny volana Desambra 2020 dia nankato ny fandaminana vaovao eo amin’ny komity iraisan’ireo Minisitera mahakasika ny fitarihana ny fitantanambolam-panjakanana na ny COPIL. Io komity io dia ivondronan’ireo mpisehatra ao anatin’ny fanatanterahana ny fanavaozana ny fitantanambolam-panjakana. Izy io dia miandraikitra ny fitarihana ireo stratejiaenti-manavao ny fitantanambolam-panjakana. Araka izany, vinavinaina ny fanavaozana ny Drafitra stratejika fampanarahana toetrandro ny fitantanambolam-panjakana, amin’ny alalan’ny famaritana ireo lasitra ho an’ireo taona ho avy sy anaty fahazoana an-tsaina ireo tanjona mipetraka ao anatin’ny Drafitra ho an’ny Fisandratan’i Madagasikara. Anilan’izany, izy io dia miantoka tanteraka ny fitarihana ny fisandana ny firenena eo amin’ny lafiny ezaka vita mahakasika ny fitantanambolam-panjakana manaraka ny lalan-tsaina PEFA na Public Expenditure and Financial Accountability. Ny fanatanterahana ny fisandana PEFA dia tinapaka niaraka tamin’ny lamina vaovao apetraka ho an’ny COPIL. Ny lalan-tsaina PEFA dia ampiasaina mba ho lasitra mampanaraka ny fenitra fisandana ny ezaka vita eo amin’ny lafiny fitantanambolam-panjakàna. Novolavolaina nandritra ny 15 taona, izy io dia vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny rafitra maromaro mpanome tantsoroka eo amin’ny lafiny fampandrosoana. Izy dia hahafahana manao fampitahana ireo fomba fanao eto amin’ny firenena amin’ireo fenitra iraisam-pirenena izay eken’izao tontolo izao, sy ny fivoaran’izany manaraka ny vanim-potoana. Amin’ny alalan’ireo maritondro enti-mandrefy ny ezaka vita, ny fanatsongaina ireo hery sy ireo fahalemen’io rafitra miodina amin’ny fitantanambolam-panjakana io dia afaka napetraka. Ireo valin’ny fisandana no hahafahanamamaritra ny toetry ny rafitra fitantanambolam-panjakàna Malagasy. Ny hetsika dia iaraha-misalahy hatrany amin’ny maha-mpandray anjara amin’ny fitondrana ny fisandana ireo rafitra voakasiky ny fitantanambolam-panjakàna, ka anatin’izany ny Firaisamonim-pirenena sy ireo Mpiara-miombona antoka ara-teknika sy ara-bola. Io fomba amam-panao io no miantoka ny fahatsapana iombonana ny zava-misy mba hahafahana mizotra amin’ny fanavaozana ny Drafitra stratejika fampanarahana toetrandro ny fitantanambolam-panjakana amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fahazoan’ireo mpisehatra rehetra an-tsaina izany. Io drafitra io dia mikendry ny fametrahana araka ny tokony ho izy ny fitsinjaràna sy ny fampiasana ireo fananam-panjakàna hahazoana tolo-draharaha mahomby, ary anatin’ny fanajana tanteraka ireo fotokevitra sy rijanteny manankery. Ny fisandàna dia ho tanterahan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanambola, amin’ny alalan’ny Sekretera jeneraliny. Ny fanaraha-maso izany dia ho tanterahan’ny Komity iraisan’ireo Minisitera momba ny fitarihana ny fanavaozana ny fitantanambolam-panjakàna izay nametrahana fandaminana vaovao araka izay nolaniana teo anivon’ny Filankevitry ny Governemanta tamin’ny datin’ny 23 Desambra 2020. |