Guides Pratiques aux usagers
- Décret n°2026-1256 Modifiant et complétant certaines dispositions du Décret 2008-668 portant régime de déplacement
- Circulaire n°02/2026-MEF/SG/DGBF/DPE
- Arrêté n°24235/2026 Fixant le taux des indemnités de déplacement temporaire auprès des villes en pôle de croissance
- Circulaire n°055 MEF portant préparation CDMT 2024-2026, décret n°2023-255 du 15 mars 2023 portant GIP, Manuel GIP du 31 mars 2023
Réformes
Nouveau
Liens utiles
Liens internes
Projet ARCEB
Statistique visiteurs
| Nb Visiteurs | |
|---|---|
| Total | 395463 |
Date de mise en ligne 20 Fev. 2019
.png)
|
Fankatoavana ny tetibola entina anodinana ny CCOK sy ny CRNM ao Ambovombe sy Amboasary Atsimo
Ny alahady faha 6 desambra 2020 dia tonga nanatrika ny fivoriana notarihan’Atoa Praiministra tao Ambovombe ny Ministry ny Toekarena sy Fitantanam-bola sy ny Sekretera Jeneraliny. Ny fananganana sy ny fampandeanana ny Ivotoerana hitantanana ny ady amin’ny Kere na Centre de Coordination Opérationnelle contre le Kere (CCOK) sy ny fijerevana ifotony ny fomba ananganana ny Ivotoerana anarenana ny tsy fanjarian-tsakafo (CNRM – Centre de Réhabilitation Nutritionnelle et Médicale) no votoatin’izany fivoriana izany. Ny lafiny tetibola moa no anjara tandrifin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Nankatoavina nandritra io fotoam-pivoriana tao Ambovombe io ny lamina momba ireo lahasa sy ny tetibola fampandehanan-draharahan’ireto ivotoerana ireto. Azo asiam-panitsiana anefa na ireo lamina momba ireo lahasa voafaritra ireo na ilay tetibola, araka ny fivoaran’ny toe-draharaha. Paikady mazava no napetraka amin’ny famoahana izany tetibola izany :
Mitentina 6.991.997.500 Ariary no tetibola tapaka fa hatokana ho an’ireo Ivotoerana ao Ambovombe sy Ambosary Atsimo ireo ka toa izao no ampiasana izany vola izany :
Nandritra ny fivoriana dia namafisin’Andriamatoa Praiminisitra fa " tsy lahatra ny fahantrana ary misy fomba fientanana sy fitantanana vaovao atao ametrahana rindran-damina hiatrehana ny zava-misy aty atsimo" Nitohy tao Amboasary Atsimo kosa izany fidinana ifotony izany ny alatsinainy faha 7 desambra 2020.
|














