newsletter
Voir toutes
gifp
dcsr
Projet ARCEB
Statistique visiteurs
Nb Visiteurs
Total 395466

Date de mise en ligne 20 Fev. 2019

FAMAKIANA NY TATITRA AMPAHIBEMASO 2020

Teboka fito lehibe no nanaovan’ny Sampam-pitsarana momba ny kaonty (Cour des comptes) fitsirihana nanomboka ny taona 2016. Sehatry ny fananan-tany, ny orin’asam-panjakanam-pitaterana an’habakabaka, ny logiciel Augure, ny harena ankibon’ny tany sy ny tontolo iainana ary ny fanarahana ny tsenam-baro-panjakana, ny lalàna mifehy ny teti-bola 2021, ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra na Objectif de Développement Durable (ODD) ary ny famatsiam-bola ho an’ireo « Financement Politique » ; ireo no notsaingana manokana nandritra ny tatitra ampahibemaso 2020.  Taorian’ny tatitra kosa anefa, raha nitafa tamin’ny tamin’ny mpanao Gazety Andriamatoa Richard RANDRIAMANDRATO, Ministry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, dia nanindry teny manokana momba ny fampiharana ny Logiciel Augure izay handrindrana ny fitantanana ny mpiasam-panjakana. 

« Efa voalaza tamin’ny tatitra ampahibemaso teo fa nisy ny tsy fahatombombanana, toy ny fisian’ny mpiasam-panjakana ao anaty logiciel kanefa tsy ao anaty « Base Solde », na ihany koa mandray karama kanefa tsy anaty Augure. Efa andalam-panatsarana izany ny eo anivon’ny Ministera ary efa hiditra rahateo amin’ny Augure andiany faha - roa », hoy Andriamatoa Minisitra.

Nampahafantariny ihany koa fa maherin’ny 400 ireo mpiasam-panjakana tsy mazava efa nahato tanteraka tamin’ny asany, ary mbola miisa 7 007 no mbola ho jerena akaiky ny momba azy. Mandray fepetra anaty mangaraharaha tanteraka ny Minisiteran’ny Toekarena sy Fitantanam-bola. « Ny tatitra natao anio dia hisaorana ireo Mpitsara fa mampiseho tokoa fa misy ny fangaharahana eo amin’ny filazana ny zava-misy marina eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjankana, ary mbola hitohy izany », hoy hatrany izy nanamafy.

Anisan’ny teboka notsindriny ihany koa ny ezaka tokony atao mahakasika ny orin’asam-panjakanam-pitaterana an’habakabaka. Na dia sarotra aza dia efa nisy aloha ny vaha-olana mba ialàna amin’ny fifanarahana tsy zarizary efa nisy teo aloha, fa « isika samy malagasy ihany dia afaka mitady vaha-olana ho antsika ».

Nampahafantariny ihany koa nandritra ny tafatafa niarahana tamin’ny mpanao gazety fa miroso milamina ny mahakasika ny Tetibolam-panjakana ka ny zoma na ny sabotsy ho avy izao no hodinihina ao amin’ny vaomiera fitambaram-be eo anivon’ny Antenimieram-pirenena izany.

Farany, nanamafy Andriamatoa Ministra fa ny fanatrehany ny tatitra ampahibemaso nataon’ny Sampam-pitsarana momba ny kaonty teny amin’ny Fitsarana tampony notanterahina anio dia endrika iray mampiseho ny mangaraharaha eo amin’ny fitantanana ny volam-panjakana.

 

Plan du site ::