Guides Pratiques aux usagers
- Décret n°2026-1256 Modifiant et complétant certaines dispositions du Décret 2008-668 portant régime de déplacement
- Circulaire n°02/2026-MEF/SG/DGBF/DPE
- Arrêté n°24235/2026 Fixant le taux des indemnités de déplacement temporaire auprès des villes en pôle de croissance
- Circulaire n°055 MEF portant préparation CDMT 2024-2026, décret n°2023-255 du 15 mars 2023 portant GIP, Manuel GIP du 31 mars 2023
Réformes
Nouveau
Liens utiles
Liens internes
Projet ARCEB
Statistique visiteurs
| Nb Visiteurs | |
|---|---|
| Total | 395429 |
Date de mise en ligne 20 Fev. 2019
.png)
|
Hetsika Anjara Hetrako : Nitohy teny Ivato ny fanentanana
Nitohy teny amin'ny Kaominina Ivato, distrikan'Ambohidratrimo nuy zoma faha-13 novambra 2020 ny filazalazana ara-ketra faobe tanterahin'ny Foibem-pitantanana Ankapobeny ny Hetra, izay tafiditra ao anatin'ny tetik'asa "Anjara Hetrako", iarahana miasa amin'ny kaominina ary tohanan'ny masoivohon'ny Alemana eto Madagasikara. Araka ny nambaran-dramatoa RANDRIANATOAVINA Oely Hanitra, lehiben'ny Ivon-ketra Ivato, mpivarotra ny ankamaroan'ny mponina ary miasa ao anatin'ny sehatra tsy manara-drafitra ny ankabeazany. Isan'ny nandrisika ny mpandraharaha ny fanamorana ny taratasy satria kara-panondro sy fanamarinam-ponenana ihany no entina. Tsy misy ihany koa ny sazy ary azo eo no eo ny karatra. Raha ny antontan'isa voaray, 77 no tonga nanao fanambarana ara-ketra teny Ambohibao ny andro voalohany. Naherin'ny 1000 kosa ny mpitsidika teny Ivato Tsena anio. Tsiahivina fa natomboka tamin'ny fomba ofisialy teny amin'ny ivon-ketra Ambohidratrimo, herinandro lasa izay, izao fanentanana izao ka 213 no efa nahazo ny karatra maha-mpandoa hetra nandritra ireo efatra andro voalohany nanaovana izany. Mbola mitohy eny Talatamaty ny hetsika ny anio Alatsinainy ary eny Imerimandroso ny Talata, ho an'ny Ivon-ketra Ivato. Eny Namontana kosa no hisian’ny hetsika ny Alakamisy 19 novambra 2020 ary eny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolotsaina ny zoma 20 novambra 2020.
|












