Guides Pratiques aux usagers
Réformes
Nouveau
Liens utiles
Liens internes
Projet ARCEB
Statistique visiteurs
Nb Visiteurs | |
---|---|
Total | 517851 |
Date de mise en ligne 20 Fev. 2019
Madagascar soutenu par la Banque Mondiale dans sa réponse au COVID-19 Le Mercredi 26 août 2020, le Conseil d’Administration de la Banque Mondiale a approuvé un appui budgétaire d’un montant de 75,0 millions de dollars en faveur de Madagascar en réponse au COVID 19. L’augmentation de l’efficacité et la cohérence de la réponse du Gouvernement Malagasy face au COVID-19, le renforcement de la transparence et la traçabilité des dépenses publiques liées à la pandémie, la facilitation des transferts sociaux, la protection de l’économie et le sauvegarde d’emplois, l’augmentation de la liquidité et l’accès au crédit, l’augmentation de l’accès à l’électricité pour les populations vulnérables ainsi que la promotion d’une plus grande transparence de la dette, telles sont les principales composantes de ce financement. Ce financement déployé par la Banque Mondiale va permettre de soutenir des réformes politiques majeures à Madagascar. 280 000 ménages à faible revenu bénéficieront de réductions tarifaires comprises entre 8 et 38% à travers l’adoption d’une nouvelle structure tarifaire de l’électricité. Il va également contribuer à l’approbation d’une procédure simplifiée d’ouverture de comptes de monnaie électronique pour accroître l’inclusion financière tout en facilitant la mise en oeuvre de programmes de transferts monétaires pour les populations vulnérables sans identification formelle. Cet appui s’ajoute aux 166 millions de dollars relatifs au financement d’urgence de la Facilité de Crédit Rapide (FCR) du Fonds Monétaire International ainsi que d’un appui budgétaire d’urgence supplémentaire de 58 millions de dollars de l’AFD et de la BAD et de la deuxième tranche de la FCR du FMI.
Nahazo tohana avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena i Madagascar hiatrehana ny COVID-19 Ny filankevim-pitantanan’ny Banky iraisam-pirenena dia nanome fankatoavana ny fanampiana ny tetibola mitentina 75,0 tapitrisa Dolara amerikanina izay atao amin’ny endrika fampindramam-bola omena ny Repoblikan’I Madagasikara tamin’ny andron’ny Alarobia faha-26 Aogositra 2020. Ny fanampiana ny tetibola dia mikendry ny fampitomboana ny fahombiazana sy ny fahatsaran’ny firindrana eo amin’ireo hetsika entin’ny Governemanta iatrehana ny COVID-19; ny fanamafisana ny fangaraharana sy ny fahitana taratra ny lalan’ireo fandaniam-bolam-panjakana mifandraika amin’ny valanaretina; ny fanamorana ireo famindram-bola ho an’ny sehatra sosialy; ny fiarovana ny toekarena sy fiarovana amin’ny fahaverezan’asa; ny fampitomboana ny vola mivezivezy sy ny fisitrahana ireo fampindramam-bola; ny fampitomboana ny fahazoana herinaratra ho an’ireo sokajin’olona marefo; ary ny fampiroboroboana bebe kokoa ny fangaraharana ho an’ireo trosam-panjakana. Ireo fanavaozana lehibe eo amin’ireo politika izay tohanan’ity hetsika ity dia ahitana ny fankatoavana ny endrika vaovao eo amin’ny firafitry ny vidin’ny herinaratra izay tokony hahafahan’ny tokantrano miisa 280 000 izay kely fidiram-bola misitraka ny fampihenana ireo vidin-jiro ho anelanelan’ny taha 8 ka hatramin’ny 38 isan-jato, ny fanekena ny fanatsorana ny fomba atao rehefa manokatra kaonty momba ny fikirakirana vola amin’ny alalan’ny finday mba hahafahana mampitombo ny mpisehatra amin’ny rafitra ara-bola sy fanamoràna ny fanatanterahana ireo fandaharanasa mikasika ny famindram-bola ho an’ireo mponina marefo tsy manana taratasy ara-dalana hamantarana azy ireo; ary ireo fepetra mikendry ny fangaraharana eo amin’ny resaka trosam-panjakana. Ity hetsika ity dia anatin’ireo marobe izay heverin’ny Banky iraisam-pirenena ho tanterahana ka hahitana ny fandaminana vaovao ho an’ireo fandaharanasa izay efa mandeha sy ny fanovana ny lalan’ireo loharanom-bola noho ny fanetsehana ireo singa napetraka ho entina mirotsaka an-tsehatra amin’ireo amehana vokatry ny loza; fampitomboana ireo hetsika vaovao entina miatrika ireo valanaretina; ary ny famaritana vaovao atao amin’ireo laharampahamehana mba hanatanterahana haingana kokoa ireo hetsika sasantsasany ary hanemorana ireo hafa ho an’ny fotoana manaraka. Izy ity dia manampy ilay 166 tapitrisa Dolara nentina namatsiana ny fahamehana tao anatin’ny Faciité de Crédit Rapide (FCR) azo tamin’ny FMI sy ny fanampiana ny tetibola tanatin’ny fahamehana mitentina 58 tapitrisa Dolara avy amin’ny AFD sy ny BAD, ary ny ampahany faharoa avy amin’ny FCR nifanarahana amin’ny FMI.
|