Incendie du bâtiment de l'ONE : les fonds publics sécurisés

 

Suite à l'incendie en provenance du Batîment de l'ONE, le Trésor Public tient à remercier les sapeurs-pompiers et les Forces de l’ordre, qui ont été présents pour prêter mains fortes pour éteindre le feu et pour que celui-ci n'atteigne pas le bâtiment du Trésor, la Paierie Générale d’Antananarivo. Nous tenons à rassurer les usagers que toutes les dispositions ont été prises pour sécuriser les fonds publics, les documents comptables et surtout les titres des pensions prévus à être payés ce jour.

Nos remerciements vont également au Ministre de l’Economie et des Finances (MEF), au Ministre des Postes et télécommunications, le Ministre de la Sécurité publique, au Ministre de l’Environnement et au Secrétaire d’Etat chargé de la Gendarmerie Nationale qui ont été présents sur place. Ils ont suivi de près l’application de toutes ces mesures. Il en est de même pour les hauts responsables du Ministère de l’Economie et des Finances dont le Directeur Général du Trésor (DGT), les Directeurs Généraux des autres départements auprès du ministère, le Directeur de Cabinet, les Directeurs centraux, le Payeur Général d’Antananarivo (PGA), les autres staff ainsi que le personnel du Trésor Public qui ont aussi été présents sur les lieux lors de cette incendie.

A noter que le MEF, le DGT, le PGA et le Receveur Général d’Antananarivo sont venus à la Paierie Générale d’Antananarivo ce matin pour s’assurer du bon déroulement du paiement des pensions qui a commencé à 6h30.

XXXXXXXXXXXXXXXXXXX

Ny Tahirimbolam-panjakana malagasy dia mampahafantatra ny manan-draharaha rehetra ao aminy fa tsy voakasiky ny fahamaizan-trano izay niseho teny Antaninarenina ny Paierie Générale d’Antananarivo (PGA). Vao nanomboka rahateo ny afo dia efa nafindra ny « serveurs » sy ireo antontan-taratasy rehetra. Tsy misy atahorana izany ny fizarana fisotroan-dronono izay manomboka anio.

Tonga nijery izany ifotony tao amin’ny PGA rahateo ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Randriamandrato Richard sy ny Tale Jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana, Ranjalahy Ihaja. Nahita izy ireo fa nizotra soa aman-tsara ny zava-drehetra. Tsy misy atahorana ihany koa ny fizotry ny fizarana karama.

Ny Tale Jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana ihany koa dia maneho ny fisaorana feno ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny haitao, ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Minisitry ny Tontolo iainana sy Fampandrosoana ho lovainjafy, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria sy ireo mpikambana ao amin’ny Kabinetra ny MEF, ireo Tale Jeneraly, ireo Tale ary ireo mpiara-miasa rehetra izay tonga nirodorodo teny Antaninarenina alina.
Mankasitraka feno ireo mpitandro ny filaminana izay nanampy tamin’ny fiarovana teny an-toerana sy ireo mpamonjy voina izay nanao ny ainy tsy ho zavatra tamin’ny famehezana ny afo ihany koa ny tenany.

Ary farany nefa tsy kely indrindra, ny fianakaviam-ben’ny Tahirimbolam-panjakana malagasy dia mankahery sy miombom-po tanteraka amin’ny Office Nationale de l’Environnement sy ny Paositra Malagasy taorian’ny voina izay nitranga omaly alina iny.
Mirary soa ho antsika rehetra

 

 

Plan du site ::