.

 

Fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny tolotra vaovaon’ny DGI : « e-Hetraphone » sy fiaraha-miasa eo amin’ny DGI sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra

 

Lapan’ny tanàna Analakely, Alatsinainy faha 16 martsa 2020. Taorian’ny fifanarahana izay nosoniavin’ny Foibem-pitondrana ankapobeny ny Hetra (DGI), ny Tahirimbolam-panjakana (DGT), ny vondrona mpanatanteraka ny Projet d’Inclusion Financière de Madagascar (PIFM), andaniny, ary ireo orinasa telo izay misahana ny fandoavam-bola amin’ny alalan’ny finday na « mobile money », ny Airtel Money Commerce, Orange Money Madagascar S.A. et Telma Money S.A. kosa ankilany, ny faha-29 janoary 2020 lasa teo, izay nametraka ny « e-Hetraphone », dia niroso tamin’ny fampahafantarana tamin’ny fomba ôfisialy izany tolotra vaovao izany ho an’ny mpandoa hetra ny DGI.

Raha tsiahivina dia tolotra iray ahafahana manao ny fanambaran-ketra sy ny fandoavana ny Hetra Tambatra amin’ny alalan’ny finday ny « e-Hetraphone ». Ary ireo mpandoa hetra tao amin’ny Ivon-ketra boriborintany fahatelo sy Alasora dia efa nisitraka azy io nanomboka tamin’ny taona 2017, saingy mbola laharana Telma sy Orange ihany no nahafahana nanao izany.

Ankehitriny kosa dia efa misokatra amin’ireo laharam-pinday rehetra misy eto Antananarivo Renivohitra ny tolotra « e-Hetraphone » ary Ivon-ketra fito no voakasik’izany, dia ny Ivon-ketra boriborintany voalohany Analakely, faharoa Tsimbazaza, fahatelo Faravohitra, fahefatra Tsimbazaza, fahadimy Ambatomainty, fahaenina Ambohimanarina ary Alasora izany.

Fanatsarana ny tolotra ho an’ireo mpisitraka no tanjona voalohany, satria azo atao amin’ny toerana rehetra izay voarakotr’ireo tambazotra telo ireo ny fanambaran-ketra na ny « déclaration fiscale » sy ny fandoavana ny Hetra tambatra. Tsy misy fikirakirana taratasy, tsy misy filaharana eny amin’ny ivon-ketra ihany koa, ny hany fepetra takiana dia ny fananana ny vola sahaza ny hetra ho aloa ao anatin’ny kaonty MVola na Airtel money na Orange money ary ny laharam-pamantarana ara-ketra na NIF. Marihana fa tsy misy sarany ny fampiasana ny e-Hetraphone.

Ankoatr’izay dia napetraka hanamafy ny ady amin’ny kolikoly ity tolotra vaovao ity noho izy mampihena ny fifaneraseran’ny mpiasan’ny ivon-ketra sy ireo mpandoa hetra ; Ary azo antoka tanteraka ihany koa satria mahazo hafatra someso, izay manana lanja mitovy amin’ireo tapakila na « récépissé » omen’ny ivon-ketra, ny mpandoa hetra, manamarika fa voarain’ny DGI soa aman-tsara ny hetra naloany. Voahaja ny mangarahara, araka ilay teny filamatry ny DGI ho « sampandraharahan’ny hetra liam-pivoarana, mangarahara ary andrin’ny fisandratana ».

Tohanan’ny Banky iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny PIFM sy ny Deutsche Gesellschaft für Internationale Zusammenarbeit (GIZ) ity fanavaozana tanterahan’ny DGI ity, ary efa voakajy hanenika an’i Madagasikara manontolo.

Fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny DGI sy ny Kaominina Antananarivo renivohitra.

Nosoniavina io andro io ihany koa ny fifanarahana amin’ny DGI sy ny Kaominina Antananarivo renivohitra, izay tafiditra tanteraka anatin’ny fanatanterahana ny politikan’ny fampandrosoana ifotony izay voizin’ny governemanta.  

Miompana amin’ny fandrindrana ny fitantanana ireo Hetra anatiny, toy ny Hetran-trano, ny Hetran-tany, ny Hetra amin’ny toaka sy ny Hetra tambatra izany fifanarahana izany, ary efa lalana iray sahady mankany amin’ny fitantanan-draharaha elektrônika na ny « e-gouvernance ».

Vaindohan-draharahan’ny DGI no sady tanjona iaraha-manan’ny roa tonta rahateo moa ny fampiakarana tahan’ny fampidiran-ketra, ny fanatsarana ny fidirambolan’ireo CTD ary ny ady amin’ny sehatra tsy manara-dalàna na ny « secteur informel ».

 

Plan du site ::