.

 

Fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Ivon-ketra sy ny Kaominina

 

Tontosa anio, zoma 13 martsa 2020, ny fanaovana sonia ny fifanarahana momba ny rafi-ketra anatiny na « fiscalité locale » miaraka amin’ny Kaominina miisa 6 sy ny Foibem-pitantanana ankapobeny ny hetra. Miompana amin’ny fandrindrana ny fiaraha-miasa amin’ny fitantanana ireo Hetra anatiny, toy ny Hetran-trano, ny Hetran-tany, ny Hetra amin’ny toaka sy ny Hetra tambatra izany fifanarahana izany. Tompon’antoka manohana izao fifanarahana izao ny « Projet de Développement Communal Inclusif et de Décentralisation » (ProDéCID), izay vatsian’ny vondrona alemana GIZ vola.

Ho fanomanana izany dia nisy ny atrikasa ny alatsinainy 09 sy talata 10 martsa lasa teo, izay niarahan’ny Foibem-pitantanana ankapobeny ny Hetra, tamin’ny alalan’ny Foibem-paritry ny Hetra Analamanga, Sampandraharaha misahana ny fandrindrana ny rafi-ketra anatiny na ny « Service de la Coordination de la fiscalité locale », ny Lehiben’ny Distrika ary ny Ben’ny tanàna amina kaominina ambanivohitra miisa enina eto amin’ny faritra Analamanga.

Raha tsiahivina dia efa nisy fifanarahana voalohany nosoniavina tamin’ny taona 2017. Telo taona moa ny faharetan’ny fifanarahana. Ilaina ny fanavaozana sy ny fanamafisana izany amin’ny Kaominina, satria vaindohan-draharahan’ny DGI ny fampiakarana tahan’ny fampidiran-ketra, ny fanatsarana ny fidirambolan’ireo CTD ary ny ady amin’ny sehatra tsy manara-dalàna na ny « secteur informel ».

Hita taratra ny ezaka lehibe notanterahin’ny DGI tamin’ny fananganana, isaky ny faritra, sampan-draharaha misahana ny loharanon-karena anatiny na ny « Service des Ressources Locales », izay natao hifandray mivantana amin’ireo kaominina. Teo ihany koa ny fanontana boky toro-làlana momba ny fitantanana ny loharanon-ketran’ ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana na « Guide de la gestion des ressources fiscales des collectivités territoriales décentralisées ». Fanampin’izany ny fifampizarana traikefa izay mbola hatao mahakasika ny famorian-ketra manaraka ny teknôlôjia na ny « digitalisation du recouvrement des impôts ».

Mpiombon’antoka sy mpiara-miasa ny vahoaka mpandoa hetra, ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ary ny DGI amin’ny ho fisandratan’ny mirindra eny ifotony ho fampandrosoana an’i Madagasikara.

 

Plan du site ::