.

Fambolen-kazo notanterahin'ny mpiara-miasa eo amin'ny Tahirimbolam-panjakana

 

Nitondra ny anjara birikiny ihany koa ny fianakaviamben’ny Tahirimbolam-panjakana malagasy amin’ny fanatrarana ny vinan’ny Fitondram-panjakana ny hamerenana indray an’i Madagasikara ho Nosy maitso. Ny 29 febroary 2020 teo tokoa no nanatanteraka ny anjara fambolen-kazony ity departemantan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ity. Nitarika izany ny Tale Jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana, RANJALAHY Ihaja sy ireo Tale isan-tsokajiny eo anivon’ny Tahirimbolam-panjakana. Ny Talen’ny Kabinetrany, Rajoelison José kosa no nisolo tena ny Minisitra Randriamandrato Richard teny an-toerana.
Teny Andranovelona, toerana izay efa natokan’ny Ministeran’ny Toekarena sy Fitantanam-
bola ho fambolen-kazo, no nanatanterahan’ireo mpiara-miasa 650 mahery avy eto Antananarivo sy avy amin’ireo ratsamangaikan’ny Tahirimbolam-panjakana manerana ny Nosy (Antsirabe, Miarinarivo, Ambatondrazaka, Maevatanana, Antsohihy, Ihosy, Morondava, Toamasina, Ambositra, Sambava, Toliara, Antalaha, ary Mananjary), ny fambolen-kazo. Zanakazo 10.000 isa no voavoly tamin’izany. “ Potika tanteraka ny tontolo iainantsika ankehitriny (…) Fitiavan-tanindrazana izao fihetsika izao sady miampaka mivantana amin’ny fiainantsika sy ny fiainam-pirenena.”, hoy ny Tale Jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana Ihaja Ranjalahy raha nandray fitenenana.
Marihina fa efa nanatanteraka ny anjara fambolen-kazony tany amin’ny faritra misy azy ireo ihany koa ireo mpiara-miasa any Mananjary sy Manakara ary Maintirano. Nandritra io fotoana io ihany koa no nankasitrahana ireo mpiasa nandeha nisotro ronona ny taona 2019.

 

Plan du site ::